FANTINA sy FINTINA

Hitohy anio ny hetsiky ny Vondron’ny kandidà 10. Hanodidina ny farihin’Anosy ny fihaonan’izy ireo amin’ireo mpiara-dia aminy. Hetsika fandavana ny fifidianana feno hosoka sy firaisam-po amin’ireo mpitolona maratra sy voasambotra izany, araka ny fanambarana.

Efa tonga eto ny iraky ny Sadc, mpanara-maso ny fifidianana. Midika fa tsy azo ahemotra intsony ny datin’ny 16 novambra izao fa hanara-maso izany ny anton-dian’izy ireo, ary nampahafantatra ny fanaraha-maso ataony, tetsy Alarobia.

Hohamafisina ny fitandroana ny filaminana, araka ny nambaran’ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, ny sabotsy teo. Nambarany fa ho hentitra sy ho mafy kokoa izany mandra-pahavitan’ny fifidianana. Nanteriny fa nahery setra ireo nanao hetsika farany teo.

Manameloka ny fanonganam-panjakana tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny governemanta, araka ny fanambarana ny herinandro teo. “Tsy misy lalàna manambara sy manome alalana azy amin’ny fitarihana fanelanelanana amin’ny lafiny fifidianana na manakana izany”, hoy ny governemanta.

Partager sur: