TSELATRA

Voasambotra ny zandary tao Sabotsy Name­hana, ny 15 novambra teo ny efa-dahy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika sady mpangalatra jiro mandeha amin’ ny herin’ny masoandro. Tratra teo am-pihanihana andrin-jiro teny An­tsofonondry ny roa lahy tamin’ ireto mpangalatra ireto.

Dahalo roa lavon’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto, ny talata 14 novambra teo. Raikitra ny fifandonana rehefa tonga ny mpitandro filaminana. Namaly tifitra ireo mpandroba. Maty voatifitra ny roa tamin’ireto farany.

Lasan’ny dahalo ny omby miisa 80 tao Anailava, distrikan’i Morondava, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny kalachnikov ireo mpandroba ka resy tosika ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Niverin-dalana ireto farany noho ny tifitra variraka nataon’ny dahalo.

Karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nahafaty raim-pianakaviana tao Besakoa, Toliara I, ny 14 oktobra teo. Nangalarin’io mpamono olona karohina io ny ordinatera rehefa avy nanampitra ny ain’ilay lasibatra izy.

Partager sur: