VAOVAO TAMBATRA

Zanatrondro karpa sy tilapia 20 000 isa no narotsaka tao amin’ny farihin’i Tsiazompaniry, distrikan’Andramasina, ny alarobia teo, niarahana tamin’ny fikambanana telo avy amin’ny kaominina Am­bohimiadana, Tankafatra, Morarano, Anosibe Trimo­loharano. Karpa 10 000 isa sy trondro gasy 1 000 isa narotsaka tao amin’ny farihin’ny Mamamba.

Ilaina ny ezaka amin’ny fanatsarana ny fitaterana ana habakabaka sy ny fanavaozana ny lalàna hampitomboina isa ny mpizahatany ho tonga eto Madagasikara. Nahatratra 185 824 ireo mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara tao anatin’ny 10 volana voalohany tamin’ity taona ity, araka ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny fizahantany.

Nivarotra toy ny mahazatra ny mpivarotra isa-maraina tetsy Andravoahangy sy Behoririka, omaly 16 novambra, andron’ny fifidianana. Voakasik’ izany ireo mpivarotra zaitra, akanjo (conféction). Voa­fetra amin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora sy sasany maraina ihany mantsy izy ireo no afaka mivarotra isan’andro.

Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena RNT 18, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, eo anelanelan’ny PK 60+100 sy ny PK 62+500 ary ny PK 60+840 (any Fiakarana Tsilesy). Tafiditra ao anatin’ny sokajy “asa maika” ireo asa ireo, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, izay ho vitaina ao anatin’ny telo volana.

Partager sur: