Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay hetsika fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny dihy hip-hop. Tsy mena-mitaha ireo mpandihy malagasy nandray anjara, izay nametraka fa manana ny toerany ny hip-hop eto. Antony nanomezam-boninahitra ireo mpisehatra izany…
Lasan’ny Malagasy avokoa ny laharana telo voalohany teo amin’ny sokajy “B –Girl”. Voalohany i Nichy, faharoa i Saphyrah ary fahatelo i Nomena. Torak’ izany koa amin’ny sokajy “B –Kid”: voalohany i Erica, faharoa i Njara ary fahatelo i Tryyking. Teo amin’ny sokajy “Xrew”, voalohany ny Moustik Crew ary faharoa ny Baobab Crew. Ny sokajy “B-Boy” ihany no tsy nahatafiditra ny Malagasy, satria lasan’i E.M avy any Sénégal ny voalohany. Faharoa kosa i Energy avy any La Réunion ary fahatelo i Noahm, mbola avy any La Réunion ihany. Ireo ny vokatra nandritra ny “battle”, nifaninanan’ireo mpandihy nandritra ny hetsika “African Championship Breaking”, na ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny dihy hip-hop , notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Arena Ivandry. Mpandihy avy amina firenena maro toa an’i Afrika Atsimo, Cameroun, Comores, Maurice, Mayotte, La Réunion, Sénégal ary Tchad no tonga nifaninana teto amintsika.
Tafiditra ho anisan’ireo kolontsaina an-tanàn-dehibe ny dihy hip-hop, ary efa 39 taona izao no nidirany teto Madagasikara. Miezaka mametraka ny toeran’ny hip-hop eo amin’ny fiarahamonina hatrany ireo mpisehatra. Tsy fanehoana kanto ho an’ny tanora fotsiny, fa fanehoan-kevitra sy fanehoana fihetseham-po ihany koa ny hip-hop.
Nomena mari-boninahitra
Ho fankasitrahana ireo mpisehatra nahavita be tamin’ny hip-hop, nifanindran-dalana tamin’ity fifaninanana ity ny fanolorana mariboninahitry ny kanto ireo mpanakanto mendrika izany. Nahazo ny mariboninahitra “Commandeur de l’Ordre des arts, des lettres et de la culture” Rehava Angeluc (Up the Rap) sy Ratsimbazafy Herimantoniaina ary Ratsimbazafy Haingomalala. Izy telo mirahalahy ireto no azo lazaina fa anisan’ireo zokiny indrindra tamin’ny dihy hip-hop ary mbola manohy izany amin’izao fotoana izao. Nisy 10 mianadahy ihany koa nahazo ny mariboninahitra « Officiers de l’Ordre des arts, des lettres et de la culture », ka anisan’ireny i Slam Jah, fantatra tao anatin’ny tarika 18.3. 7 kosa no nomena ny mariboninahitra « Chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture ».
Zo ny Aina