Fakafaka: Mora lalaovina ny tsy miaina ny kolontsainy !

Mahitsy be ilay fomba filaza, saingy io no ahafahana maneho hevitra ao anatin’ny famakafakana tahaka izao. Ny Malagasy, manam-pahendrena. Ny Malagasy matahotra an’Andriamanitra. Ny Malagasy, tia miray hina sy mifanampy. Ny Malagasy, tia fihavanana. Ny Malagasy, … Marobe ny voalaza momba ny Malagasy. Saika momba ny kolontsaina avokoa izy ireny.
Ny indro kely anefa, lazam-balala sisa ny fananan’ny Malagasy ireo rehetra ireo. Raha tena iainana mantsy ny fahendrena, ny fifanampiana, ny tahotra an’Andriamanitra, sns, ho sahirana ireo mpanao politika ireo satria tsy ho afa-milalao ny Malagasy intsony. Toraka izany koa ny vahiny zatra manao lalan-dririnina.
Ohatra iray azo ampiharina tsara amin’izao vanim-potoana iainan’ny firenena izao, ohatra, ilay fahaizan’ny Malagasy mandinika hevitra faran’izay lalina. Tsy mihinana amam-bolony. Henoina tsara sy dinihina fatratra ary fakafakaina lalina izay ambaran’ireo mpanao politika ireo. Amin’izay fotoana izay, sady tsy ho voafitaka no tsy ho voafahan-dalitra ny Malagasy tsirairay.
Raha hain’ny Malagasy tsara ny miaina ny kolontsainy, hiharihary eo anatrehany tanteraka ny harena be ananany. Ho fantany tsy ampihambahambana ny fitaka bevava atao eto amin’ny taniny. Toraka izany koa ny fihatsarambelatsihy ataon’ny vahiny sasany mbola te hanohy ny fangalaran-karena sy fangoronan-karena eto Madagasikara, sns.
Tsy iandrasana famatsiam-bola avy any ivelany ny fiainana ny kolontsaina fa finiavana sy fandavantena no takina amin’ny tsirairay. Mila mifanoro, mifampitaiza, mahay mihaino ny hafa, maneho fihetsika feno fahalalam-pomba, sns. Tsy noforonina ireo fa fahendrena sy kolontsaina malagasy.
Raha mahavita izany ny Malagasy tsirairay, ho lasa lavitra ao anatin’ny fotoana fohy i Madagasikara. Tsy ho kilalaon’ny hafa intsony fa hijoro amin’ny maha izy azy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: