Piment Café – Revy gitara. Hifarimbona indray ry Tolotra, Ony, Nary, Bim ary Eric Rason, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mazava loatra fa hanjaka ny revy gitara, ary hibahana bebe kokoa ny sanganasan’ny tarika Mahaleo rehefa ry zalahy ireto no tafaraka. Eo ihany koa anefa ireo hirana mpanakanto hafa, vahiny sy Malagasy.
Mozika klasika. Seho ho famaranana ny faha-140 taonan’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo
amin’i Madagasikara sy i Alemana no hotontosaina ny alahady izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Novotel Ivandry. Hifandimby an-tsehatra amin’izany ry Quator Squad, Jejy Mozika Orchestra ary ry Zamba Valiha.
Arboretum- Eric Rakotoary Trio. Anjoria mozika no hatolotry ry Eric Rakotoary (gitara beso), Eric Andrianaina (amponga maroanaka) ary i Andry Ramamonjisoa (gitara), etsy amin’ny Arboretum Ankorondrano, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hifandimby ny mozika pop, blues mifangaro jazz, mandritra izany.
Revy Lolo sy ny tariny ao amin’ny Barh’ Haingo. Toerana iray anisan’ny mafana indrindra rehefa faran’ny herinandro ao Antsirabe izy ity. Handray an-dry Benny, Bebey ary Nini ny toerana anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitondra ny “Revy Lôlô sy ny tariny” ho an’ny mponin’Antsirabe izy telo mirahalahy ireto.