Mandalo eto Madagasikara i Gerard Jugnot, mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika frantsay. Nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, omaly. Hizara sy hampahafantatra ilay sarimihetsika novokariny, “Le petit Piaf” izy, izay alefa ao amin’ny Cinepax Ambodivona, ny 27 desambra ho avy izao.
Mitantara ny fiainana lalovan’i Nelson ( mpandray anjara fototra), 10 taona , mipetraka any amin’ny Nosy La Réunion, izay naniry hitovy amin’i Edith Piaf. Zazalahy izy, naniry ho lasa mpihira malaza ka nahatanteraka ny nofiny, nahatonga ilay lohateny. Horonan-tsary miresaka fanirian’olona iray ary ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Tsiahivina fa maro ireo horonan-tsary efa novokarin’i Gerard Jugnot toy ny « Pinot Simple flic » (1984), « Scout toujours » (1985), « Sans peur et sans reproche » (1988), « Une époque formidable » (1991), « Casque bleu (1993), Fallait pas… ! » (1996), « Meilleur espoir féminin » (2000), « Monsieur Batignole » (2002), « Boudu » (2004), « Rose et noir » (2009), « C’est beau la vie quand on y pense » (2017), « Le petit Piaf » (2020) .
« Izaho dia mpikambana ao amin’ny Unifrance, izay miezaka mampahafantatra sy manaparitaka ireo sarimihetsika maneran-tany, ka tonga eto aho hizara sy hanome fahafaham-po ho an’ny mponina eto Antananarivo. Mbola tsy ampy zavatra maro ny famokarana sarimihetsika eto Madagasikara,ka anisan’izany ny « studio », ny fanampiana ara-bola, ny rafitra amin’ny fampiroboroboana ny sarmihetsika, rafitra matihanina mifehy ny sarimihetsika ary ny efitrano manara-penitra », hoy i Gerard Jugnot.
Marihina fa ny fikambanana Unifrance, izay miara-miasa amin’ny « Festival Madagascourt » andiany faha-17 no nitondra azy teto. Hizara traikefa ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika eto amintsika ny tenany mandritra izany.
Fitia (Mpianatra asa)