Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tontosa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Manda. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny manamarika fa 11 taona ny zandriny indrindra ary 72 taona ny zokiny. Ny Andia « Tafita » moa dia vokatra azo avy amin’ny tetikasa fampianarana kabary nanerana ny boriborintany enina izay fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny fitaleavan’ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny Fiainam-piarahamonina (DACVC-CUA) sy ny fikambanana Manda ary ny orinasa FMG. Maro ny olo-manan-kaja nanotrona ny lanonana toy ny Jeneraly Ramakavelo (Madera) sady ray mpiahy ny fikambanana Manda, nanamafy nandritra ny lahateniny fa tena ilaina ny mianatra kabary mba hiainana ny maha Malagasy. Ahatongavana ho olom-banona sy vonona ho tomponandraikitra eto amin’ny firenena fa tsy ho tompon-toerana fotsiny.
Narilala