Hiova endrika ny tolona, araka ny nambaran’ ny vondron’ny kandidà 10. Nihaona amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny antoko ary fikambanana politika izy ireo, omaly, teny Andraharo. Nohamafisin-dRavalomanana izany fa havadika ho tolom-bahoaka izany.
Harahi-maso ara-pitsarana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, taorian’ny niakarany fampanoavana, tetsy Anosy, omaly. Hatao ny 12 desambra kosa ny fitsarana azy momba ny raharaha fitarihana olona hanao hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey…
Nosaziana herintaona an-tranomaizina, sazy mihantona, miampy lamandy 300 000 Ar avy ireo mpanao fihetsiketsehana nosamborina ny 4 novambra teo, araka ny didy nivoaka, omaly. Nampiakatra fitsarana ambony anefa ny mpisolovava ka tsy mbola mihatra izany.
Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny kandidà, Ratsiraka Roland. Anton’izany ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana nandritra ireo hetsika am-pilaminana notarihan’ireo vondron’ny kandidà ka niteraka faharatrana…




