Namoaka amboara sy rakipeon-tononkalo i Nirihaja, Malagasy poeta ny sabotsy teo, tetsy amin’ Ivokolo Analakely. Nankalazaina tamin’ny seho teatraly sy “comedie musicale” izany. Niarahany tamin’ ny vondrona Volivolana, tropin’andriambavilanitra 5. Fanamby noketrehina nandritra ny enim-bolana, niaraha-niasa tamin’ny olona sy mpanakanto maro.
Taona 2023, mbola maro ny Malagasy no mihevitra fa: “mozika vazaha ihany no mampiasa na ampiasana ny sorapeo na solfezy”. Porofo io fa nisy fanabeazana tsy ampy eo amin’ny Malagasy. Fantatra ary fa talohan’ny taona 1972, mbola tafiditra tao anatin’ny fandaharam-pianarana ny fianarana
mozika. Ireo tafiditra an-tsekoly, tsy maintsy nianatra solfezy. Ankehitriny, sarotra ny hanatanteraka izany.
Mitohy hatrany ny fitantarana angano « Diary Nofy », andiany faharoa, ho an’ny ankizy. Hatao etsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely isaky ny sabotsy. Anisan’ny nisitraka izany, ny teo anivon’ny Akany Avoko Faravohitra. Nofaranana tamin’ny fampitana hafatra amin’ny tokony hanekena sy hanajana ireo olona manana toe-tena varira izany.
“Exposition balade mentale”. Mitohy hatramin’ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade mentale”, tontosain’i Arilala Ophélia, laharana faharoa, nandritra ny Prix Paritana 2023. Eny amin’ny Fondation H Ambatomena no anatanterahina izany. Hitaomana ny olona hamantatra kokoa ny momba azy ny tanjony ao anatin’izany.