Sombim-baovao

Tsy afa-niatrika ny lalao, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, omaly, ny 3FB. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja baolina rugby, sokajy vehivavy. Araka izany, lalao telo ihany no natao teny an-toerana. Marihina fa ny RCTS Soavimasoandro no saika nifanandrina tamin’izy ireo, nandritra io fifanintsanana io.
Ratsy fanombohana ilay frantsay mpanazatra, Nicolas Dupuis, raha nitondra ny ekipam-pirenen’i Soudan du Sud, ny sabotsy lasa teo. Lavon’i Sénégal, tamin’ny isa mevesatra 4 no ho 0 ny ekipany. Lalao izay tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2026”, hotanterahina any Etazonia. Marihina fa izy no mpanazatra voalohany nitondra ny ekipa nasionaly malagasy Barea tany amin’ny CAN, ny taona 2019.
Notanterahina ny sabotsy teo ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny “Euro 2024”, taranja baolina kitra. Nomontsanin’i France tamin’ny isa, 14 no ho 0 i Gibraltar. Nahafaty baolina telo tamin’izany, ilay frantsay mpilalao, Kylian Mbappé. Marihina fa efa tafita any amin’ny Euro izay hatao any Allemagne, ny les Bleus France.

Partager sur: