INDRAY MIJERY

Amin’ny ankapobeny, ahitana oram-baratra hatrany any amin’ny ilany andrefan’i Madagasikara, ankoatra izay ho maimaina. Eto Antananarivo, mahatratra 16°C ka hatramin’ny 28°C ny maripana ho an’ny anio. Tsy misy ny tranga tokony hatahorana ho an’ny morontsiraka fa tokony ho mailo ihany.
Noraisina ara-teknika ireo fotodrafitrasa nataon’ny “Cicafe nouvelle planète” eo anivon’ny se­koly Tsarahonenana, Zap Ambatomena, Cisco Antsi­rabe II.Toy ny fanorenana efitrano fianarana vaovao telo, fanamboarana toerana hikarakarana ny fampisakafoana an-tsekoly, trano fivoahana ary fanolorana boky isan-karazany. Nasiam-panavaozana koa ny efitrano fianarana roa.
Efa nirehitra nanomboka ny 17 novambra lasa teo ny jiro manga eny amin’ny Rovan’i Madagasikara ho fiaraha-mientana amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy, anatin’ny “campagne going blue”. Hetsika hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy. Nisy koa fanentanana momba ny zon’ny ankizy miaraka amin’i Bolo eny amin’ny La city Ivandry.
Niakatra ho 22 000 Ar ny vidin’ny henan-kisoa iray kilao (nofony, sorony, kotileta…), araka ny hita teny amin’ny mpivarotra mpaninjara, ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ny henan’ omby, 20 000 Ar koa ny “filet” sy ny toton-kena, toy izany koa ny atin-kena. Fahefatry ny kilao no zakan’ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano amin’izao fotoana izao noho ny fahasahiranana.

Partager sur: