Manomboka miverina amin’ny laoniny ny tsena eny Analakely sy ny manodidina taorian’ny toe-draharaha politika teto an-toerana. Miverina manokatra ny varavaran’ny tsenany ireo mpivarotra. Niantraika betsaka tamin’ny fihariana ny toe-draharaha toa ireny, misy tokoa ireo mpanararaotra ny hetsika ka mandroba sy mandrava tsena.
Hatao ny 27 novambra izao ny fiofanana ho an’ny fampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano ao amin’ny faritra Vakinakaratra, andiany fahatelo. Hisy ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro trondro an-dobo, an-tanimbary ary dobo vita simenitra, mandritra io fotoana io. Ao ihany koa ny famokarana zanatrondro tilapia sy karpa.
Nizara ny traikefa sy ny dingana nolalovany tao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ireo tanora vehivavy mpandraharaha sy ireo maniry hisehatra amin’izany ny governoran’ny faritra Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela mahery” ny hetsika, izay mikendry ny haha matihanina ity sehatry ity.
Nahazo mari-pankasitrahana ireo nandray anjara tamin’ny fandaharanasa “Miatrika” entina hanatsarana ny asan’ireo mpiantsehatra, eo amin’ny fizahantany. Tanjona ny hampiakarana ny kalitaon’ny asan’izy ireo sy hanomezana asa fa indrindra ny fampidirana eo amin’ny sehatra ara-dalàna ireo mpiseradia eto Madagasikara.