Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 55 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teo amin’ny fiolanana Boanamary, Mahajanga, afakomaly hariva. Nanaraka kamiao mpitaona fasika io lehilahy io. Niharan-doza tampoka ny fiara narahiny ka maty voatsindry io lehilahy io.
Renim-pianakaviana may kilan’ny afo tao Tamatave, ny 16 oktobra teo. Ahiny ho ny mpanampy azy ihany no nahavanon-doza. Tsy hita popoka anefa io lehilahy io rehefa nikoropaka nitady mpitsabo ny lasibatra. May tanteraka ny tarehy sy ny faritry ny tratra ary ny tanan’io vehivavy io.
Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy iray niharan-doza teny amin’ny Fonenana Imeritsiatosika, afakomaly hariva. Nitondra bisikileta izy ary nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny mpandalo. Niosin-drà io raim-pianakaviana io saingy tsy fantatra ny antony niteraka ny loza.
Efitrano miisa enina tao amina sekoly iray tao Antsohihy, hotohoton’ny afo, afakomaly. Lasibatra tamin’ity fahamaizana ity avokoa ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra. Nikiry hamono ny afo ny manodidina saingy tsy tana ny firehetana noho ny trano voarafitra amin’ny hazo. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny firehetana.




