Nambaran’ny Vovonan’ireo foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa (Baam) fa tsy azo ekena ny faniratsirana
an-dRazanamahasoa Christine. “Mbola feno sy
tanteraka ny maha renin’ny firenena azy… Aoka
koa tsy hokitihina ny mpikambana Baam”, hoy izy ireo .
Naneho fahavononana ny hanohy ny tolona ireo kandidà 10, araka ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Ho avy ny fanentanana hanovana izany ho hetsi-bahoaka manerana ny Nosy ary koa ny fanamafisana ny firaisankinan’izy ireo, mpitarika.
Niantso ny hanamafisana ny tany tan-dalàna ny Frankofonia (OIF), araka ny fanambarany ny 18 novamba teo. Takin’izy ireo koa ny hamerenana ny fifampitokisana ary koa hanaiky ny fifampidinihana. “Mba hisian’ny fitoniana sy ny fampandrosoana”, hoy izy ireo.
Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Nambarany fa ara-drariny ny fifidianana rehefa tonga ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC ary nanaraka ny antanan-tohatry ny lalàna rehetra ny nanaovana azy.