« Onjam-po amperin’asa ». Antsan-tonononkalo Faribolana Sandratra hataon’ireo mpanentana sy mpamokatra fandaharana ao amin’ny radio. Seho hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Hifarimbona amin’izany i Mi Ramanitra, Nanja R, Griffine Bakoliniaina, Ony Mihajanirina, Meva, ary i Miah Rabeson.
Mitohy hatrany ny dian’ny Tarika Jeneraly. Etsy amin’ny Piment café Behoririka indray no hifamotoana amin’ireo mpankafy ny sanganasany. Ny zoma 24 novambra izao, hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny nahaizany nitazona hatrany ny fototra nahafantarana azy hatramin’izay, tahaka ny fandrindrana, feo, tononkira, sns.
« Théatre Kala 2023 ». Ao anatin’ny fanomanana ny fampisehoana “Theatre Kala 2023”, atao eny amin’ny Aft Andavamamba, ny avy amin’ny Théatre Kala. Anisan’ny tena ahafantaran’ny maro azy ireo ny seho teatraly “O Bientôt”. Ankoatra ny teatra, ho hita mandritra ny seho ihany koa ny dihy maro samihafa.
Fanorona sy Katro. Kilalao mampiavaka antsika ny Fanorona sy ny Katro. Ny Fanorona izay fanabeazana ny amin’ny paikady sy ny teti-panorona, raha manabe hahay hitantana sy hitsinjara ny Katro. Noezahina nampanaovina ny ankizy izany fahiny mba hanomanana azy hiatriaka ny fiainana. Efa manomboka mamerina izany ankehitriny raha somary tsy tazana teo aloha teo.