Misanda 4 797 Ar ny 1 euro, raha 4 470 Ar ny 1 dolara, omaly 20 novambra. Niakatra kely ny lanjan’ny euro satria 4 713 Ar ny sandany ny 30 okrobra teo. Nidina kely kosa ny dolara, satria nahatratra 4 503 Ar tamin’ny 20 oktobra lasa teo.
Manodidina ny 3 200 Ar ny kilaon’ny vary makalioka sy ny vary gasy eto an-drenivohitra, raha 950 Ar ny kapoaka. Nitombo 200 Ar isaky ny kilao io vidiny io, tapa-bolana lasa. Amidy 2 800 Ar hatramin’ny 3 200 Ar kosa ny vary hafarana avy any ivelany, izany hoe, 800 Ar hatramin’ny 850 Ar ny kapoaka.
Anisan’ny mpikambana mpiompy trondro nahavita fiofanana be indrindra, any Vakinankaratra ny kaoperativa Ivakmen. Miara-miasa amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Vakinankaratra ity fikambanana ity, hampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty rano.