INDRAY MIJERY

Hanao fivoriana ny mpikamban’ny sendikàn’ ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sy ireo mpikaroka rehetra eto Antananarivo, eny amin’ny onivesite Ankatso, anio. Lahadinika ny fanapahan’ny fanjakana ny karaman’ireo mpitarika ny hetsika sendikàly. Efa nanapa-kevitra fa hamarana ny taom-pianarana saingy tsy mbola namaritra tetiandro hanombohana izy ireo.
47 ny onjam-peo miara-miasa amin’ny Studio Sifaka manapariaka ny vaovao sy ny fandaharana vokarin’izy ireo. Anisan’izany ny fandaharana ho an’ny tanora atolotry ny tanora avy amin’ny faritra maro momba ny sehatra mahakasika azy ireo manokana : fanabeazana, fahasalamana… Fomba iray ahafahan’ny ankizy sy ny tanora maneho hevitra ny onjam-peo.
Ny 22 sy 23 novambra izao no hotanterahana ny kongresy andiany faha-30 an’ny federasion’ny farmasianina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tanterahina any amin’ny Nosy Maorisy izany ary mandray anjara feno i Madagasikara. Farmasianina 20 eo no hiatrika ny zaikabe.
Nanatanteraka fanomezan-dra maimaimpoana ny Antilin’i Madagasikara, Diosezy Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Natao tao amin’ny Centre Régionale de Transfusion Sanguine (CRTS) Toliara izany. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-100 taonan’ny Antily ny hetsika.

Partager sur: