Tsy afaka ny hilalao amin’ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity intsony i Gavi, espaniola mpilalao baolina kitra noho ny ratra nahazo azy. Raha ny fantatra, misy ratra eo amin’ny lohaliny «rupture du ligament croisé antérieur du genou». Haharitra fito hatramin’ny sivy volana eo ny fitsaboana azy.
Taorian’ireo resaka mandeha tao anaty tambajotran-tserasera mahakasika ny faharatran’ireo Malagasy mpilalaon’ny Barea. Nilaza ny dokotera mpitsabo ny ekipam-pirenena fa salama tsara ary ao anatin’ny heriny tanteraka izy 28 mirahalahy mpilalao. Ny omaly, tany Maroc, nifanandrina tamin’i Les Sao du Tchad ny Barea.
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Turin Italie, ny fifaninanana Masters, taranja tenisy. Norombahin’ilay Serba, Novak Djokovic ny amboara, rehefa nandavo an’i Jannik Sinner, italianina mpilalao, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,3/6,3). Araka izany, mbola i Djokovic ihany no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny filaharan’ny ATP amin’ity taranja ity.
Taorian’ireo taona roa izay nahazoan’i Kalle Rovanperä, ny amboaran’ny WRC, taranja “Rally”. Nilaza ny tenany omaly fa hisitaka kely ny taranja noho ny ezaka be loatra vitany nandritra izay 15 taona nifaninanany tamin’ny Rally izay. Milaza ny hiverina tsy ho ela ity mpanamory fiara ity, rehefa vita ny fialantsasatra ataony.