TSELATRA

Renim-pianakaviana iray naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Nitondra fiara tsy mataho-dalana io ramatoa io kinanjo nifatratra tampoka tany an-tanimbary ny fiara nentiny. Tsy nisy aina nafoy.

Maty an-drano tany amin’ny fokontany Kaolini­na, Farafangana, ny tovolahy iray 23 taona, ny 18 novam­bra lasa teo. Nilomano niaraka tamin’ny namany izy no nilaza fa misy misintona ny tongony ka nihoraka : “veloma ianareo”, hoy izy. Roa andro taty aoriana vao hita ny razany.

Zaza roa taona niharan’ny fanolanana tao Mananjary, ny faran’ny herinandro teo. Tsy mahatana ny malotony intsony io zazavavy io ka voatery notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Tsy afa-mitsangana ihany koa izy vokatry ny habibiana nihatra taminy.

Kilan’ny afo ny tokantrano iray tao Toliara tampon-tanàna, omaly. Nijoalajoala ny afo ka niparitaka nanerana ny efitrano. Tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina nampian’ny fokonolona ka nalaky voafehy ny firehetana. Na izany aza, may tsy nisy noraisina ilay trano lasibatra. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana.

Partager sur: