TARATRY ny KANTO

Manampy amin’ny fivelarana talenta maro ny tambajotran-tserasera tahaka ny  facebook . Tsy mijanona eo amin’ny fampahafantarana nefa fa mitohy hatrany amin’ny tsikera. Io no mila fitandremana, mety hiafara amin’ny fandevenan-talenta izany. Mijanona tsy manoratra, na vao mainka mamoaka hira manivaiva ny soatoavina ireo mpamorona tsy mahatanty tsikera, satria, mby ao an-tsainy ny hoe : « izay tiako ihany io » !

Boky tantara an-tsary. Sahala amin’ny mahazatra, tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, anio tolakandro, ny fanentanana momba ny Boky tantara an-tsary. Anisan’ny tena hasongadina amin’ity hetsika ity ny Boky tantara an-tsary amin’ny teny malagasy. Hisy ihany koa anefa ny amin’ny teny vahiny maro samihafa.

MFF andiany faha-18. Tanterahina ny zoma izao ny lanonana fanokafana ny “Madagascourt Film Festival” (MFF), andiany faha-18. Eto Antananarivo no hanatanterahina ny ampahany voalohany amin’ny hetsika, raha any Mahajanga kosa no hanaovana ny ampahany faharoa sady farany amin’ity hetsika ity.

“Novembre numérique”. Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika “Novembre numérique”, ho an’ny teny amin’ny Aft Andavamamba. Ho an’ity ivontoerana ity, nezahina nasongadina ny fifandraisan’ny haikanto sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ankoatra izay, nisy ny fifaninana sy lalao ho an’ny mpankafy “Jeux Vidéos”.

Partager sur: