SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina eny amin’ny kianja Makis Andoha­tapenaka ny alahady ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Hisy lalao roa eny an-toerana mandritra izany. Anisan’izany ny fifanandrinan’ny FTVL Lala­maty sy ny ASUT ary ny adin’i Sabnam Sabotsy sy ny Rosa Antohomadinika.

El Hadari, Malagasy mpilalao baolina kitra, no nisongadina indrindra tamin’ny fihaonan’i Madagasi­kara sy i Tchad, ny alatsinainy lasa teo, tany Maroc. Nahavita tolotra roa izy raha vao nampidirina hisolo ny toeran’i Bertrand Dorian, lohalaharana Barea. Tsiahivina fa milalao any Seychelles, St Michel United, izy.

Mitana ny laharana voalohany amin’ny filaharan’ ny FIFA, ny ekipam-pirenena Frantsay les Bleus. Nalain’izy ireo ny toeran’i Argentine, rehefa nandresy an’i Gibraltar, tamin’ny isa 14 no ho 0 i France. Tsia­hivina fa ny taona 2001, nipetraka ho laharana voalohany tao amin’ny Fifa i France.

Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, hotanterahina any Miami, ny lalao famaranan’ny “COPA America 2024”. Raha ny fantatra, ny 14 jolay ao amin’ny kianjan’ny Hard Rock Stadium no hanaovana izany. Tsiahivina fa i Argentine no tompondaka farany tamin’ny “Copa 2021”.

Partager sur: