Tao anatin’ny efatra herinandro, betsaka ny olona manatona tobim-pahasalamana noho ny aretina gripa. Manana fitaovana ahafahana mitily ny tazo sy ny Covid-19 ny CSB , hoy ny tomponandraikitra.
Nanomboka ny herinandro farany tamin’ny volana oktobra, mandraka ankehitriny, mirongatra ny aretina gripa sy kohoka, ary ny sery eny anivon’ny fiarahamonina. Mandritra ny tontolo andro, tsy tapaka olona eny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina amin’ny fanjakana. 75% amin’ny marary, mizaha fahasalamana dia tratran’ny gripa avokoa. « Misy koa ny trangana Covid-19 », hoy ny mpitsabo iray.
Manana fitaovam-pitiliana Covid-19 ny toeram-pitsaboana. Amidy 65 000 Ar ny TDR. Rehefa tsy mahazaka ny saram-pitiliana ny marary nefa mampiseho ny soritraretina rehetra (indrindra ny fahasemporana), miroso avy hatrany amin’ny fitsaboana mifandraika amin’ny Covid-19 ny dokotera. 31 500 Ar ny fitaovam-pitiliana TDR ho an’ny Covid-19, eny amin’ny farmasia. Afaka atao eo no ho eo sy eny an-toerana ny fitiliana miaraka amin’ny mpiasan’ny toerana fivarotam-panafody.
Tsy anavahana fa misy olon-dehibe sy ankizy ny marary. Tsy mbola manana fahazarana manatona mpitsabo koa ny tsy salama. 2% monja no tonga avy hatrany raha vao mahatsapa tsy fahasalamana. “Ny ambiny manao dokotera tena any an-trano aloha. Telo andro aty aorian’ny fisehoan’ ny soritraretina vao mikoropaka rehefa mihombo izany. Avy amin’ny tsimokaretina ny gripa ka mora mifindra nefa tsy mampihatra ny fepetra fiarovan-tena intsony ny daholobe”, hoy ny fanazavany. Tokony hitondra arovava sy orona ireo olona mikohoka, voan’ny sery, hiarovana ny manodidina.
Mila ampiakarina koa ny hery fiarovan’ny tsirairay. Namoaka torohevitra momba izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eo amin’ny pejy facebook-ny noho ny fahitana fa betsaka ny olona
isehoan’ny gripa, amin’izao fotoana izao.
Vonjy A.