INDRAY MIJERY

Hanatanteraka atrikasa handraisan’ny fiarahamonim-pirenena  anjara ny BIANCO, anio sy rahampitso, ho fandinihana sy ho fanatsarana ny fomba fiasa manoloana ireo endrika kolikoly iainan’ny olom-pirenena, amin’ny dingana sy fepetra ahafahana misitraka fisotroan-dronono ho an’ny  mpiasam-panjakana, sahanin’ny Trésor sy mpiasa tsy miankina, karakarain’ny CNaPS.

Nihaona ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, pro­fesora Randriamanantany Zely Arivelo sy ny masoivohon’i Torkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, teny Ambohidahy. Anisan’ireo firenena man­droso eo amin’ny lafin’ny fitsaboana i Torkia ka nodinihina ny fiaraha-miasa hanatsarana ny lafin’ny fahasalamana eto Madagasikara.

Homarihina ny 24 novambra izao ny Androm-paritra ho an’ny fanomezan-dra. Lohahevitra voizina ny hoe: “Ndao hanome ra matetika ho fanomezana aina”. Hisy, araka izany, ny fanentanana amin’ny faritra rehetra mba hanaitra ny olona hanatona ny ivontoerana misahana ny izany, hanome ra maimaimpoana.

Mahavita mitety “site” 20 isam-bolana ny rasazy mandeha irery (SPO) noraisin’ny Marie Stopes Madagasikara hikarakara ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy sy ny tanora amin’ny fanapariahana ny fanafody fandrindram-piterahana maharitra. Isaky ny telo volana no hiverenana indray ny “site” rehetra hanaraha-maso ny asa vita.

Partager sur: