TSELATRA

Lehilahy iray mpamily taxi maty ahina namono tena, tao amin’ny Fokontany Ambalatany, omaly maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy saingy voalazan’ny mpiara-monina aminy tamin’ny alalan’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa nanana olana tao anatin’ny andro vitsy lasa io lehilahy io.
Omby an-jatony lasan’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’Ankilivalo, distrikan’i Mahabo, omaly maraina. Noraofin’ireo mpangalatr’omby niaraka amin’ny vehivavy am-polony tao amin’io tanàna io ka ni­tsoaka niampita ny vavaranon’i Morondava ireo dahalo. Manao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana.
Niara-namoy ny ainy ny lehilahy iray sy ny sakaizany tao Antsahamahitsohitso, kaominina Doany, distrikan’Andapa, afakomaly. Nifamalimaly ka tsy nifankahazo loatra izy roa ireo tamin’ny faran’ny herinandro teo, raha ny angom-baovao nomen’ny manodidina ny mpanao fanadihadiana. Vokatr’io tsy fifankazahoana io, nofirain’ilay lehilahy sakaizany tamin’ny zava-maranitra ilay vehivavy ka maty. Nananton-tena ilay tovolahy taorian’io.
Jiolahy raindahiny amin’ny halatr’omby voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohimandry, Arivonimamo, ny faran’ny herinandro teo. Tompon’anto­ka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’Ankonaka ity dahalo tratra ity. Nanao vela-pandrika ny zandary ka sarona tao amin’ny anabaviny izy. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Karohina ny namany.

Partager sur: