INDRAY MIJERY

Nanome ra maimaimpoana teny amin’ny Mosquée Palestine 67 ha, omaly, ny fikambanan’ny Tanora silamo sonita eto Madagasikara, FT2SM, sy ny YGC (Youth Generation Conqueror). Fanavotana ain’olona no tanjona ary tafiditra ao anatin’ny Androm-paritra ho an’ny fanomezan-dra rahateo. “Betsaka ny olona tsy ampy ra dia mba mandray anjara amin’ny fanampiana azy ireny izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “zaramira” ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza sy ny ankizy. Nitsidika ny kaominina Tataho ny tomponandraikitra nanao fanentanana. Anisan’ny nentanina ireo mpisitraka ny tetikasa mba hampiasa ny lisitra isan-tokantrano ahafahana manara-maso akaiky ireo ho mety manana olana sy fanamarinan’ny Sefo fokontany.

Ny 16 ka hatramin’ny 27 novambra izao ny fampiofanana omen’ny USAID Impact ireo manampahaizana malagasy miisa 33 amin’ny fifehezana ny fitaovana moderina entina mikirakira sy mampizotra ny famatsiana fanafody.

Tafakatra 5200 Ar ny kilaon’ny siramamy eny an-tsena. Manodidina ny 260 000 ny iray gony. Na ireo mpivarotra enta-madinika aza mitaraina ho tsy mahavidy amin’ny gony intsony hotsinjaraina amin’ireo mpanjifany. Fehezina, araka izay tratra, ny siramamy eny amin’ny mpivarotra kafe.

Partager sur: