SOMBIM-BAOVAO

Tsy nandeha namonjy ny filankevitrin’ny
fitsipi-pifehezana (CODIS) tany Thailande, ny filo­han’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andriamilerovason Amiroudine. Nohamafisiny ihany fa efa nandefa taratasy tany amin’ i Claude Azema, filoha iraisam-pirenenan’ity taranja ity ny tenany amin’ny antony izany.

Lavon’i Comores tamin’ny isa 1 no ho 0 i Ghana, ny talata lasa teo, tany Comores. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Marihina fa miray vondrona amin’i Madagasikara ao amin’ny “I” i Comores. Ny volana jona ho avy izao izy ireo no hifanandrina amin’i Madagasikara.

Norombahan’ny Fosa Junior Academy ny amboaran’ny diviziona faharoa any amin’ny faritra Boeny. Nahazo lelavola 1 tapitrisa ariary izy ireo. Marihina fa ity no fandraisana anjara voalohany nata­on’ny Fosa Académie. Mitana ny laharana faharoa tamin’ity fifanintsanana ity ny Joker FC.

Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana karakarain’ny ligin’Analamanga,
taranja Volley-ball. Fifaninanana mahakasika ny “service, attaque, réception, tik tik”. Misokatra ho an’ny rehetra izany araka ny fangatahan’ny maro.

Partager sur: