Tsy fandriampahalemana ao Melaky : dahalo 15 maty voatifitra, omby 20 tafaverina

Niampatrampatra ny fatin’ny dahalo voatifitry ny mpitandro filaminana tany Tsiazona­loka, fokontany Ambavanina­ra, kaominina ambanivohitra Marotsialeha, distrika Amba­tomainty, faritra Melaky, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ny dahalo am-polony nitondra fitaovam-piadiana. Naka omby 20 izy ireo ary nitsoaka nandositra. Nahare io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’izy ireo tamin’ny fokonolona. Nahetsika avokoa ny zandary tany amin’ny toby Ambala­pamba, Marotsialeha, Amba­tomainty. Nifanehitra tamin’ny dahalo ireto farany. Nitifitra variraraka ireo mpangalatra omby sady nanao tari-dositra. Vokany, lavo ny 15 tamin’ireo olon-dratsy. Latsaka teny amin’izy ireo ny famaky sy lefona ary basim-borona. Olon-tsotra iray maty, roa naratra nandritra io fifandonana io. Mpa­nara-dia iray avy amin’ny fokonolona io maty voatifitry ny dahalo io. Vatan-dehilahy roa hafa koa naratra mafy. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy roa ireo. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: