Isan-taona, amin’ny vanim-potoana tahaka izao dia efa manimanitra asaramanitra ny tanàna. Efa mivolo andro noely ny eny an-tsena. Ny isan-tokantrano aza efa misy ny mametraka ny hazon’ny krismasy. Izay mba manamanan-katao efa mifanenjika laharana eny amin’ny mpanjaitra. Manomana fatratra ny hihaonana amin’ny fianakaviana iray manontolo. Tsy nifanenana nandritra ny taona.
Inona anefa ny zava-misy ankehitriny? Toa lavitry ny afo ny kitay, hoy ny fitenin-dRamalagasy. Tsy misy mihe-vitra izay fety izany, eny fa na ny zaza madinika aza. Hatrany am-pianarana aza misy ny nanafoana ny fetin’ny krismasy iarahan’ny mpianatra sy ny mpanabe ary ny ray aman-dreny miara-mifety. Toraka izany ny eny anivon’ny fiarahamonina, tsy misy miresaka izany krismasy izany velively.
Raha zohina akaiky ny fizotry ny andavanandrom-piainan-dRamalagasy dia niova tanteraka tsy misy tsirony intsony. Tsy misy fotoana mba hitoniana intsony na andro fety aza. Ny tena zava-doza, mivadika bibibiby masiaka ratsy fanahy izany isika mianakavy. Zary maimbomaimbo ra avokoa ny olona. Na itsaka ankihibe tongotra anaty taxi-be aza dia mety efa handatsahan’ny olona ny ainao.
Mivadika ny zanakatidohan’ny olona. Zary lasa lian-dra sy mandatsaka aina tsotra izao. Mahazo vahana ny herisetra sy fampiasan-kery, ary ny fambolena fifankahalana eny anivon’ny fiarahamonina iray manontolo. Manjaka ny ratsy sy ny didin’ny besandry. Izay kely vovokaina tsy mahazo mitaraina. Izany ny hoe: tena tsindrio fa lavo tsotra izao.
Tsy misy afaka ny miantoka ny ampitsony intsony ny sarambabem-bahoaka eto Madagasikara. Andaniny, miaritra ny tsindrio fa lavon’ny tompon’ny hery sy fahefana. Ankilany, mifanipaka an-toerana toa valala an-karona: samy mandeha samy mitady izay ho ampidirina ambavany. Miaina anaty fiarahamonina mantsimantsina!
r.r