FANTINA sy FINTINA

Efa mananika maherin’ny 80% ny voka-pifidianana voarain’ny Ceni, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Tsy nisy fiovana fa mitarika hatrany ny kandidà Rajoelina, nahazo ny 59,80%. Faharoa, nahazo ny 12,83% ny kandidà Ravalomanana, arahin’ny kandidà R. Siteny, 12,76%.

“Raharaha Andohanimandroseza”, tsy misy mpiambina ny filohan’ny Antenimiera ireo voatifitra, araka ny nambaran’ny talen’ny fiarovana amin’ity Andrimpan­jakana ity. Nohamafisiny koa fa tsy mpikambana amin’ ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, ilay antsoina hoe Roberto, anisan’ny maty.

Nambaran’ny kandidà Rajaonarimampianina fa tsy afaka hiresaka fampandrosoana raha tsy mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. “Ilaina ny fanajana sy ny fampanajana ny lalàna ary tsy tokony hisy ho ambonin’ny lalàna”, hoy izy.

Anisan’ireo naneho fiaraha-miory tonga tany Nosy Be, afakomaly, ny kandidà isany, Ravalomanana sy R. Siteny. Nambaran’izy ireo fa tsy avela ho very maina na ho raraka an-tany ny hafatr’i Ninie Doniah. “Aoka isika hiaraka hitraka, hiray hina sy hijoro”, hoy izy ireo.

Partager sur: