“Blague Friday Folk” etsy Ambondrona. Handray an-dry zalahy tanora mpanao hatsikana ny toerana, hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Raitra Belawyck, Aina Maharavo, Orima Sarobidy, Rataaken sy ireo mpanao hatsikana hafa mbola hanatevina an-dry zareo.
Jeneraly, etsy amin’ny Piment Café. Hiverina kely ato amin’ity toeram-pialamboly ity indray ry Andy sy ny tariny, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hamerina sy hamelona ireo sanganasan’i Ghaby. Manohy ihany koa anefa ny fanahin’ny tarika Jeneraly, ka misy ireo hira tsy dia faheno firy na vaovao mihitsy hozarain’izy ireo.
“Mad in Voyage”, etsy amin’ny La Teinturerie. Anjoria mozika nanomboka tamin’ny 2019 ary mitohy hatramin’izao izy ity. Hitohy etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo amin’ny 8 ora, arahina “after live” etsy amin’ny Garage Antsahavola izany, anio alina. Hifangaro ny hira noforon-dry zalahy sy ireo hira jazz ankafizin’ny maro amin’io.
Solo Andrianasolo, Valahara Café. Manohy ny fanafana cabaret hatrany, na dia tsy dia heno aza tato ho ato, ity andrarezin’ny feo sy gitara ity. Any Antsirabe indray izy no hihaona amin’ny mpankafy, anio alina. Hanome ireo hira rehetra nahafantarana azy, miampy ireo hirana mpanakanto ankafiziny manokana i Solo. Hitety karazan-kira maro, araka ny fanaony .