INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny latsakemboka izay anjara tokony haloan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana feno azy ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS.

Aretina lagaly no mahazo ny ankizy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny DVSSER. Any Ampanihy no tena mirongatra izany saingy efa voafehy. Noho ny tsy fahampian’ny rano hidiovana no tena antony. Misy ny fanafody ho amin’izany anefa any amin’ny CSB.

Nanao fanambarana ny Seces sampana Fiana­ran­tsoa sy Toamasina, taorian’ny fivoriana nataony, ny alarobia teo. Voalaza tamin’izany fa manameloka ny fanao mivaona amin’ny lalàna manan-kery izy ireo. Manohy ny fitakiana iraisan’ny mpampianatra mpikaroka rehetra izay iarahany amin’ny Seces Antana­narivo izy ireo.

Natao ny alarobia teo ny fankatoavana sy fandaniana ny lasim-panofanana “Pâtissier – Traiteur” ho an’ny fampianarana teknika sy fiofanana arakasa. Manohy ny atrikasa namolavolana ny lasi-panofa­nana natao ny volana septambra teo izany. Manomana sahady ireo mpiofana ho amin’ny asa voakaly sy ara-kalitao mamaly ny fenitra takin’ny tsenan’asa izany.

Partager sur: