Rugby – Lalao sakana « Top 12 »: hiady toerana ny Cheminots sy ny RCSA

Hotontosaina rahampitso maraina, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana hiakarana sy hijanonana ao amin’ny fifaninanana Federaly I, “XXL Top 12”. Hifanandrina amin’izany ny USC Cheminots na ny Besetroka sy ny RCSA Ano­sibe. Fihaonana azo heverina ho toy ny famaranana kely ity hiseho ity satria tsy maintsy hiezaka ny hitazona ny toe­rany ao amin’ny “Top 12” mba tsy hivarina any amin’ny “Top 20” ny Besetroka. Ho an’ny mpilalaon’Anosibe kosa, tsy maintsy hanome ny tsara indrindra avy aminy izy ireo mba hiakarany ao amin’ny diviziona voalohany ary tsy hamerina indray ny fifaninanana any amin’ny diviziona faharoa.
Nambaran’i Coach Jerry, mpanazatra ny RCSA, afakomaly, fa efa vonona ny mpilalao na eo amin’ny ara-batana na ny ara-tsaina. Nisy ny fanamafisana ny fahaiza-miaraka sy ny fanatsarana ny lesoka, toy ny fiarovana. “Anisan’ny naharesy anay, nanoloana ny Rosa, nandritra ny famara­nana farany teo, ny resaka fiarovana ka iny no tena nifantohana nandritra ny fanazarantena”, hoy ny Coach Jerry.
Tsara ny mampahatsiahy fa sambany teo amin’ny tantaran’ny Rugby malagasy no hiatrika izao lalao sakana
hiakarana “Top 12” izao ny RCSA, klioba tarihin’ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré.

Fitia Randria

Partager sur: