FANTINA sy FINTINA

Tokony hanaiky ny voka-pifidianana hivoaka eo ny rehetra, ny mpanao politika, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Fanjakana demokratika isika. Koa miantso antsika hiandry amim-pitoniana ny voka-pifidianana.

Tsy hankato ny voka-pifidianana noho ny fandikan-dalàna ireo kandidà 10. Nihaona tamin’ny Pan-FFKM, nikato-trano teny Tsimbazaza izy ireo, omaly. “Tsy tompon’antoka amin’ny tsy fahamarinan-toerana sosialy sy toekarena eo izahay”, hoy ny fanambarana.

“Fifidianana hafahafa iny”, hoy ny filoha teo aloha, nitarika ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble. Nambarany fa maro ireo nitaky ny tambin’ny vato nofidiny nefa ny fifidianana tsy tokony hisy izany mihitsy. “Eo koa ireo olona sasany ambonin’ny lalàna…”, hoy izy.

Mitaky ny hametrahana ny tany tan-dalàna ny “Cellule de crise” , ahitana ireo vondron-kery sy antoko politika, maherin’ny 100. Nampahafantarina tetsy Anosy, omaly izany. “Fototry ny demokrasia ny tany tan-dalàna. Voahitsakitsaka anefa izany izao”, hoy izy ireo.

Partager sur: