TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy etsy Ampefiloha. Hifan­dona etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy indray ny tropy Rafarahasimanga Georgine avy any Ambohiman­droso sy ny tropy Ramaroson avy any Ampahimanga, rahampitso alahady. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifandonana ary hitohy ny hariva. Toy ny mahazatra, tsy misy vidim-pidirana izany, fa rakitra ho an’ireo mpana­kanto no hotatazana.
“MIFA- Campus Internationale”. Nifarana omaly, teny amin’ny IFM Analakely, ny fiofanana momba ny famokarana sarimihetsika, niarahana tamin’ny IFM sy ny CITIA. Malagasy mpamokatra sarimihetsika miisa 5 no nisitraka izany fiofanana iraisam-pirenena izany, tao anatin’ny 4 andro, teto Antananarivo.
“Slumorap”. Tanterahina eny amin’ny Mada­gas­car Underground Antsahavola, anio, ny dingana famaranana amin’ny hetsika “Slumorap”. Raha tsiahivina, fitambaran’ny “Slam” sy ny hatsikana atao Rap, anaty seho iray ity hetsika ity. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto vao misandratra te haneho ny talentany.
IFM Analakely. Atrikasa maro samihafa no entin-dRakotoniera Volaniony, ho an’ny ankizy mpikambana eny amin’ny IFM Analakely, anio. Hisy ny atrikasa hampisehoana zava-baovao amin’ny alalan’ny “Les Statues”, tohizan’ny atrikasa “Les Tunnels”. Misy ihany koa ny fampahafantarana ny “Mon karné”, bokin’Ankizy mampahafantatra zavatra isan-karazany.

Partager sur: