Nigadona any Nosy Be, omaly, ny sambo vaventy Aida, mpitondra mpizahatany miisa 2 200. Sambo fahefatra tonga any an-toerana izy ity, anisan’ ny mampandroso ny fizahantany eto amintsika. Sady mampiroborobo ny toekarena any Nosy Be, toy ny varotra sy ny tolotra samihafa ny fahatongavany.
Natao tany Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly, ny fanombohana ny taom-pambolena 2023-2024, ho an’ny faritra Analamanga. Notoloran’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) kojakojam-pamokarana ny tantsaha, toy ny angadinomby sy ragiragy, ny masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana.
Nahatratra 1 231 ireo orinasa niforona teto Madagasikara, tao anatin’ny 9 volan’ity taona ity. Anisan’ny mahasarika ny mpandraharaha ny sehatry ny lamba, ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana ary ny varotra. Maherin’ny 200 kosa ireo orinasa nanoka-baravarana eo amin’ny lafiny fizahantany.
Hamatsy tetikasa amina faritra sy distrika maro eto Madagasikara ny antsasaky ny tetibolan’ny «Cellule de coordination des projets de rélance économique et d’action sociale» (CCPREAS), eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo.