SOMBIM-BAOVAO

Nifarana omaly 25 novambra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja kick boxing, tany Portugal. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany i Eduard (Azerbaidajan). Tsy anisan’ny nandray anjara i Madagasikara, izay nambaran’ny DTN, i Anigael Gastros, fa tokony ho nandresy satria tsy nandray anjara ihany koa i Russie, firenena anisan’ny kalaza.
Hotanterahina any Zimbabwe, manomboka
ny 14 hatramin’ny 16 desambra ho avy izao, ny fifa­ninanana Cosafa School, taranja baolina kitra. Miisa
11 ireo firenena mandray anjara amin’izany ary anisany i Madagasikara. Ny voalohan’ny volana novambra
no nikarakara fifaninanana ho an’ireo sekoly teto Madagasikara ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra.
Rodrygo Goes, brezilianina mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny Real Madrid Espagne. Nahazo ratra teo amin’ny lohaliny. Ankoatra an’i Rodrygo, mbola tsaboina miaraka aminy ihany koa i Vinicus Jr, brezilianina mpilalao Real Madrid. Lalao miandry azy ireo, ny alarobia ho avy izao, ny fifanandrinana amin’ny Naples SC Italie.
Nisokatra ny 23 novambra teo ny «Forum africain du mini-basket», tontosaina any Tanzanie, ahitana mpanazatra 70 avy amin’ny firenena afrikanina, toha­nan’ny FIBA. Ny mpanazatra, Rakotoarisoa Zafintsa­lama Andry na i «Dan be» no misolontena an’i Madagasikara amin’ity atrikasa ity.

Partager sur: