FANTINA sy FINTINA

Nahita tsy fanarahan-dalàna maro ny Transparency International – Initiative Madagascar, manoloana ny voka-pifidianana vonjimaika. Nambaran’izy ireo fa natao an-terisetra ny fifidianana ary hitan’ny mason’ny rehetra izany ka mila mandray andraikitra.

Naneho ny heviny ny Frankofonia (OIF) taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Tsy tomombana ny nialoha ny fifidianana. “Tsy nisy ny dinika teo amin’ny governemanta sy ny mpanohitra. Tsy voahaja ny zo amin’ny fanehoan-kevitra”, hoy izy ireo.

Naneho hetsika tao Paris ireo Diaspora, ny sabotsy teo. Nambaran’izy ireo fa mitohy ny tolona mandra-pahazoan’ny vahoaka tia tanindrazana ny fandresena. “Tsy azo ekena ny didy jadona, ny fampihorohoroana, ny lainga, ny halatra… Tsy mihemotra isika”, hoy izy ireo.

Tsy mihevitra ny hanongana na handrava ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimierampirenena, tarihin-dRazanamahasoa Christine ny maro anisa IRD, araka ny nambaran’ny depiote, Velontsara Paul Bert. “Tsy misy resaka momba izany aloha”, hoy izy.

Partager sur: