TARATRY ny KANTO

“Onjam-po amperin’antsa”. Seho hafakely satria mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo no nampiaina an-tsehatra ireo sanganasan’ny mpanoratra maro, tetsy amin’ny CGM /GZ Analakely, ny sabotsy lasa teo. Fotoana nisehoan’ireo olona ambadiky ny feo, i Nanja Razafindrakoto (Aceem Radio), Ony Mihaja­nirina (Rdb), Mi Ramanitra (Free Fm), Meva (Radio Fahazavana) ary Miah Rabeson (Iarivo Radio).

“Hasambarana iray felatanana”, tany Bongo­lava. Nentina tany Ankadinondry Sakay indray ity seho poezia mozikaly, izay noforonin’i Nirihaja ary niarahany nanatontosa tamin’ny tarika Volivolana, ity. Nahasarika tanora maro hitia ny literatiora sy ny zavakanto izany, raha ny fanazavana. Tafiditra indrindra anatin’ny tetikasa “Ndao hamaky boky, hifanakalo kalo” ny seho.

Tsy salama i Dat’Kôtry. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fa marary ity mpanakanto ity. Tsy salama tany Toamasina ka nampiakarina aty Anta­nanarivo, etsy amin’ny hopitaly Homi tokoa izy. Na izany aza, nilaza ny namany izay mikarakara azy fa tsy mbola nanao antso ho tolo-tanana amin’ny fitsaboana akory izy ireo.

Sarimihetsika Malagasy miisa 8 mifaninana ao anatin’ny sokajy nasionaly, mandritra ny MFF andiany faha-18. Mifaninana amin’izany ny Délivrance, Saisir l’âme, L’histoire de mes yeux, Lasa, Rough World, Never too late, Mazav alina, Wanna go back.

Partager sur: