Sombim-baovao

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fitiliana ireo Malagasy mpilalao miisa 60, izay voafantina manerana ny faritra. Miisa efatra ireo vahiny teknisianina ho avy eto an-tanindrazana, anisan’izany ny klioba Frantsay, Losc Lille. Marihina fa natao hampivoarana ny baolina kitra eto amintsika izany.
Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny fifanandrinan’ny Manchester City sy ny Liverpool FC, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”, taranja baolina kitra. Araka izany, miverina eo amin’ny laharana voalohany indray ny Arsenal FC, raha toa ka midina faharoa ny Manchester City, tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny kianja Parc de Princes France, ny lalao miverina eo amin’ny PSG, mpampiantrano sy ny Newcastle United FC. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fifaninanana eoropeanina «Ligue des Champions 2024» izy ity. Mbola manala vela ny PSG amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, resin’ny Newcastle tamin’ny isa 4 no ho 1 izy ireo nandritra ny fihaonana mandroso.

Partager sur: