INDRAY MIJERY

Fanentanana ataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony, ny tokony hitandremana fatratra ataon’ireo reny mitondra vohoka amin’ny valanaretina tazomoka. Ankoatra ny fatoriana anaty lay misy odimoka, misy ihany koa ny fanaovana TPI. Fanafody tazomoka atelina mandritra ny fisafoana izy io.

Na dia tsy eo amin’ny toerana maha governora intsony aza ny tenako dia notohizan’ny ekipa ankehitriny ny asa fanamboarana ireo lalana efa natomboka, hoy Rasoamaromaka Hery. Anisan’ny misongadina ny asa fanamboaran-dalana ao Anempoka, Alatsinainy Bakaro, Distrika Andramasina.

Nihazo an’i Mayotte ny delegasiona avy ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, hiatrika ny fihaonambe iraisam-pirenena sy hifandinika ny amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa, eo amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ny CUFR (Centre universitaire de formation et de recherche) Mayotte.

Nanazava ny sampandraharaha misahana ny fitehirizan-dra fa afaka manome ra isaky ny telo volana ny lehilahy. Isaky ny efa-bolana kosa ny vehivavy. Manome ra, manome aina. Fihetsika fanavotan’aina ny fanomezan-dra maimaimpoana. Ny sampana vonjy voina no anisan’ny tena mila ra rehefa misy tra-doza.

Partager sur: