TSELATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny kolonely roa voalaza fa nikasa hanongam-panjakana sy hanao fikomiana. Nikasa hitarika miaramila, hanakana ny fizotry ny fifidianana ho filoham-pirenena izy ireo, araka ny antontan-taratasin’ady. Natolotra ny fampanoavana rehefa notazomina nandritra ny herinandro mahery teny anivon’ny zandarimaria izy ireo.

Renim-pianakaviana iray voaendaka tao anaty taxi-be teo Anosibe, omaly tolakandro. Mody niakatra toy ireny mpandeha ireny ilay jiolahy teo Anosy. Nony tonga teny Anosibe anefa dia nalain’ity jiolahy ity ny poketrany. Lasa nirifatra nandositra niala ny fiara ilay jiolahy.

Tratran’ny zandary ny lehilahy iray nangalatra dokotra tao Ambonivary, koaminina Ampiatatafika, distrikan’Antanifotsy, afakomaly hariva. Nitilitily ny voron’olona teny an-tanimbary io lehilahy io ary nentiny ny dokotra. Notanana hatao famotorana io lehilahy io. Naverina amin’ny tompony kosa ny vorona nangalariny.

Lasan’ny dahalo nitam-piadiana ny entana sy omby miisa valo an’ny mpitondra sarety iray tao Kirindy-Morondava, omaly. Vao maraina tamin’ny 7 ora, nifanehatra tamin’io lehilahy io ireo dahalo. Nora­train’ireto farany ilay mpitondra sarety. Lasany avokoa ny entana teny aminy niampy ny omby.

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 62 taona norasaina zava-maranitra, tao amin’ny fokontany Ambodiriana, distrikan’i Morafenobe, afakomaly alina tamin’ny 12 ora. Nidiran’ny olon-tsy fantatra tao an-trano fonenan’io lehilahy io. Trano an-tanimbary rahateo no fonenany ka mora foana ho an’ireo olon-dratsy ny namono azy.

Mpitrandraka vatosoa iray maty sempotra tany anaty lavaka tao amin’ny kariera Andohan’Antsa­vokabe, kaominina Antsahavaribe, ny faran’ny herinandro teo. Nifamonjen’ny namany izy saingy tsy tana intsony ny ainy.

Partager sur: