Nanao hetsika “Fotsy” ho fanoherana ny voka-pifidianana koa ny Malagasy miasa sy monina any Montréal-Canada, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo fa tsy azo ekena iny fifidianana iny. “Mila hapetraka ny tany tan-dalàna”, hoy izy ireo.
Miantso ny tokony hijoroana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, araka ny fanambarany tao amin’ny “Facebook”. Nambarany fa mila aseho amin’ny asa sy fandraisana andraikitra ny fitiavan-tanindrazana. “Mijoroa, sahia manohitra ny tsy rariny”, hoy izy.
Tokony hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny 4 desambra izao ny HCC, araka ny fe-potoana 9 andro voalazan’ny lalàna, raha tsy misy ny fiovana. Tombanana fa mety hatao ny 9 desambra kosa ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika voafidy eo.
Nanao fanambarana ireo tangalamena sy fikambanana maromaro ary olom-boafidy any amin’ ny distrikan’Ambatofinandrahana, omaly. “Toherinay amin’ny herinay tanteraka ny endrika herisetra atao amin’ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine”, hoy izy ireo.