« Zotra charter » : mpizahatany bolgariana miisa 175 tonga any Nosy Be

Nigadona voalohany any Nosy Be, ny sabotsy 25 no­vam­bra 2023 teo, ny fiaramanidina mitondra mpizahatany « charter », mivantana avy any Bol­garia. Nitsena izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fizahantany, Joel Randria­man­dranto, sy ny manam-pahefana any an-toerana. Niantoka ity zotra mivantana ity ny kaompania Flight Bulgaria, nitondra mpizahatany miisa 175. Miisa fito kosa ny mpiasa tao anatiny.
Nisy ny fanondrahana rano ny fiaramanidina, « Water salute », araka ny fomba fanao rehefa misy fiaramanidina mi­gadona voalohany ao amin’ny toerana iray.
Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisitera, hisarihana mpizahatany avy any Eoropa Atsinanana ity fahatongavan’ ny mpitsidika avy any Bolgaria ity. Nandritra ny roa taona ny namolavolana azy, dingana vaovao amin’ny fanapariahana ny tsenan’ny fizahantany sy ny firenena hitsidika an’i Mada­ga­sikara izany. Anisan’ny efa ahitana zotra mivantana mi­tondra mpizahatany « charter », ny mampitohy an’i Nosy Be sy Italia.

Tsiahivina fa miisa 1 000 000 ny mpizahatany kendrena ho avy aty amintsika amin’ny taona 2028.

Njaka A.

Partager sur: