Mpanakanto avy any Toamasina. Ry Jô Bee indray no hitondra ny mozikany, etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra, ny zoma 2 desambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Efa tsy zovina amin’ny maro intsony eo amin’ny sehatry ny lanonana sy fety isan-karazany ireto mpanakanto ireto, indrindra amin’ny fanaovana “cover” hirana mpanakanto hafa… Manavanana azy ireo koa ny fanaovana feo lafika. Efa maro ny fiakarana sehatra sy fampisehoana nataon-dry Jô Bee.
Maro ny mpanakanto niara-niasa tamin-dry zareo, toy ny D. Lain sy ny hafa. Seho maimaim-poana izy ity ary azon’ny rehetra atrehina. Antenaina, araka izany fa hahazo ny anjara fahafinaretana ny rehetra sady mba miala voly kely hanalana ny vesatry ny herinandro. Ny etsy amin’ny Le Zoma kosa miezaka mampiseho sy mampihaona ny mpanakanto amin’ny mpankafy azy ireo hatrany.
Narilala