Kolontsaina: hitombo isa ny mpampianatra valiha

Rehefa nandalo dingana telo, hamoaka mpampianatra valiha ny Valiha Académie na ilay foibe fikarohana sy fampianarana momba ny zavamaneno eo ambany fiahian’ny Zanabaliha. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny dingana sy fanatrarana ny tanjona fampivelarana ny kolontsaina malagasy sahanin’ity foibe ity izao famoahana mpampianatra valiha izao.
« Naharitra 3 taona ny fianaran’ireto mpampianatra ireto. Maro ireo taranja nianarany tamin’izany. Anisany ny solfezy, ny tantara, ny fomba amam-panao malagasy mifandraika amin’ny valiha, sns. Ankoatra izay, nifanakalo traikefa tamina mpitendry valiha maro izy ireo. Nivoaka ny sekoly nanao fandalinana, sns », hoy R. Lala, iray amin’ireo mpampiofana eo anivon’ny Valiha Académie. Taki­ana amin’ny faran’ny fianarana rahateo ny fanatanterahana fikarohana.
Ankoatra ireo mpampianatra nahavita fianarana ma­nokana momba ny mozika, anisan’ny mampiavaka ity foibe ity ny fananany mpampiofana « zoky raiamandreny » niaina niaraka tamin’ny valiha nandritra ny taona maro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: