Baolina kitra mahatafita : resy lahatra ny haka Malagasy mpilalao ireo vahiny teknisianina

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy 27 novambra teo, teny Mahamasina, ny fifantenana ireo mpilalao miisa 60. Nahasarika ny vahiny ny fahaizan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra.

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny valandresaka niarahana ta­min’ireo vahiny teknisianina miisa 4. Ahitana an’i Abde­nord Belkaci, Losc Lille D1 France, i Wassim Gharmoul, White Caps D1 Etats Unis, i Helmin Lousaief, Club Africain D1 Tunisie ary i Demba M’Baye, RS Berkane D1 Maroc. Resy lahatra amin’ny fahaizan’ireo Malagasy mpilalao izy ireo, ka nanapa-kevitra ny haka mpilalao eto an-toerana. “Mpilalao kinga sy maila-batana ny Malagasy ary ma­nana teknika avo. Inoana fa hanana ny hoaviny tsara ny baolina kitra eto Madagasi­kara amin’ity tetikasa ity”, hoy izy ireo. Nomarihin’izy ireo fa tsy olana ho an’ny baolina kitra eto Madagasikara ny resaka vatana satria efa ma­nana talenta miavaka amin’ireo firenena hafa izy ireo.
Marihina fa tonga nanatrika ity fotoana ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, Haja André Resampa, sy ny solontenan’ny Fede­rasiona ma­­lagasin’ny baolina kitra (FMF). “Tanjona ny hampivoatra sy hamolavola ireo tanora eto amintsika ho lasa mpilalao matihanina”, hoy ny Minisitra. Tsara ny mampahafantatra fa nihena 30 sisa ireo mpilalao tazana teny an-toerana raha 60 izy ireo niatrika izany ny alatsinainy lasa teo. Araka ny voalazan’ny mpikarakara, LNR Sport Manage­ment, ho lasa 15 sisa ny isan’izy ireo amin’ny fifantenana farany, izay hanaovana lalao ara-pirahalahiana, ny alahady ho avy izao eny Maha­masina ihany. Tsiahivina fa 17 – 21 taona avokoa ireo mpilalao voafantina manerana ny faritra ireo. Miara-misalahy amin’ity hetsika ity ny MJS sy ny LNR Sport Management ary ny FMF.

Fitia Randria

Partager sur: