Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny “Juniors”. Resy hatrany ny Akio tamin’ireo lalao telo nataony tao anatin’ny vondrona “B”.
“Mbola resy indray …”! Lavon’i Nigeria tamin’ny isa 50 no ho 17, i Madagasikara, omaly, nandritra ny andro fahatelon’ ny fifanintsanana isam-bondrona, vondrona “B”, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “Juniors”, “Can 2026”. Lalao tontosaina atsy Abidjan Côte d’Ivoire. Raha hiverenana ny fihaonana tany an-toerana, omaly, ry zareo nizerianina no nitarika 6 no ho 0, vao fito minitra nanombohan’ ny lalao. Taorian’io, nitarika hatrany ry zareo teo anatrehan’ireo mpilalo niaro ny voninahitr’i Madagasikara.
Marihina fa 21 no ho 8 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra, nitarika ny nizerianina.
Tao anatin’ny fidirana faharoa, niezaka nanenjika isa ihany ny Akio, saingy mbola lesoka be ny tsy famonoana baolina rehefa tojo iray sy iray amin’ny mpiandry tsatoby. Niafara tamin’ny isa 50 no ho 17 ny fihaonana. Resy i Madagasikara.
Faharesena fahatelo
Ampahafantarina fa mitana ny laharana farany ao amin’ny vondrona “B” misy azy ny Akio tamin’ity fifanintsanana ity. Ity izany ny faharesena fahatelo ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Tamin’ny andro voalohany, niondrika teo anatrehin’i Angola, 49 no ho 17, i Madagasikara. Faharoa, lavon’i Algerie, 46 no ho 15.
Tsy nihoatra ny 17 mihitsy ny isa azon’ny Malagasy tao anatin’ny fihaonana iray. Mbola hita ho lesoka ny tanjaka sy ny teknika ary ny vatana.
Fitia Randria




