Basikety: nodimandry omaly ny Coach Bomba

Misaona ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry omaly, tao amin’ny hôpitaly HJRA, Randriamanalina Heri­lanto, fantatry ny maro amin’ny anarana Coach Bomba. Araka ny loharanom-baovao, tojo tsy fahasalamana ny tenany ka naiditra hopitaly, indrisy, izao tsy tana izao ny ainy. Tsy nilaza mazava ny aretina nahazo azy ny fiana­kaviany. Fantatra teo amin’ny tontolon’ny basikety izany Coach Bomba izany ary tsy nisy tsy nahalala azy fony
fahavelony. Mpilalaon’ny Ascut no tena nahafantarana azy ary anisan’ny nanana ny naha izy azy tao amin’ity klioba ity. Ankoatra izay, mpanazatra klioba maro izy ary efa nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy imbetsaka. Mirary fionona feno ho an’ny fianakaviany sy ny fianakaviam­ben’ny basikety Malagasy izahay eto amin’ny gazety Taratra.

Mi.Raz

Partager sur: