FIBA 3X3 Africa Cup: hanokatra ny lalao anio ny Ankoay

Hanomboka anio, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja ba­sikety 3×3. Ny ankoain’i Mada­gasikara no hiakatra an-kianja voalohany, na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy. I Ma­raoka no hifanandrina amin’ny Ankoay voalohany na lahy na vavy. Aorian’izay, hiatrika avy hatrany ny ekipan’i Kenya, ny Ankoay, lehilahy, anio 1 de­sambra. Rahampitso sabotsy 2 desambra no hanao ny lalao roa manaraka ny Ankoay vavy ka avy hatrany dia ny ekipan’i Bénin sy Kenya no hifanandrina misesy amin’i Madagasi­kara. Tsiahivina, efa niatrika fanazarantena omaly tontolo, tany an-toerana ny ekipa ma­lagasy ary vonona ny haka fandresena. Tompon­daka ta­min’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika farany, ny Ankoay lahy ary mampanantena ny hitazona ny anaram-boninahitra. Etsy ankilany, tompondaka lefitra ny Ankoay vavy ary hanao ny ezaka rehetra ho tompondaka amin’ity andiany 2024 ity. Nahitana fitomboana rahateo ny fotoana nahafahana nanomana ity fifaninanana ity ka miandrandra vokatra tsara mifanaraka amin’izany ny mpilalao sy ny mpanazatra.

Mi.Raz

Partager sur: